<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>C.H. Purday</author>
<lyrics>[V1]
 Indreo ao an-danitra ny
 olo-marobe,
 Mitsangana manatrika ny
 Zanakondry, re !
 Akanjo fotsy lava no
 anaovany,
 Ka sampa-palma fandresena
 no an-tànany.

[V2]
 Ka iza moa ireo, ary avy
 taiza re ?
 Ireny dia avy tamim-
 pahoriam-be,
 Nanasa sy namotsy ny
 ankanjony
 Tao amin-dran'ny Zanakondry,
 Izay Mpanavony.

[V3]
 Ny tia ny maloto tsy ho ao
 an-danitra,
 Fa masina ny tonga any, sady
 sambatra
 Mihira fiderana sy fisaorana
 No zavatra ataony amim-
 pifaliana.

[V4]
 Endrey, maniry mafy aho mba
 ho isany,
 Hiaraka hihoby sy hifaly
 Aminy ;
 Anefa an'ny Tompo ny
 fotoana,
 Ka dia Izy no manendry
 ny hodiana.</lyrics>
<title>Indreo ao an-danitra ny olo-marobe FFPM675</title>
<hymn_number>675</hymn_number>
</song>